Exodus 4:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.