Exodus 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa NY TOMPO taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tanany, koa nony notsoahiny dia indro, boka ny tanany ka fotsy tahaka ny orampanala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izany no hinoany fa niseho taminao i Iaveh Andriamanitry ny razan’izy ireo, dia Andriamanitr’i Jakôba.» Ary hoy koa i Iaveh taminy: «Atsofohy ao amin’ny tratranao ny tananao.» Dia natsofony tao amin’ny tratrany ny tanany dia notsoahany avy eo, ka indro rakotry ny habokana hoatra ny oram-panala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny, atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofok’i Mosesy tao an-tratrany ny tanany; nefa rehefa notsoahany avy tao, dia indro boka ny tanany ka fotsy toy ny oram-panala.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa NY TOMPO taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tanany, koa nony notsoahiny dia indro, boka ny tanany ka fotsy tahaka ny orampanala.
malagasy
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.