Exodus 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy indray Izy: Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany indray ny tanany, koa nony notsoahiny tamin’ny tratrany dia indro, niverina tahaka ny teo aloha indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh: «Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao»; ary natsofony tao amin’ny tratrany indray ny tanany, dia notsoahany avy ao, dia indro, nanjary sahala amin’ny nofony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa ny TOMPO hoe: –Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao. Dia natsofok’i Mosesy tao an-tratrany indray ny tanany; ka rehefa notsoahany avy tao, dia indro fa niverina tamin’ny laoniny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).