Exodus 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha tsy mino amin’ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin’ny ony ianao, hanosaka azy amin’ny tany, fa io rano nalainao teo amin’ny ony io hanjary ra eo amin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mbola tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin’ireo famantarana roa ireo, dia makà rano avy ao Neily ka aidino amin’ny tany maina, fa ho tonga ra eo amin’ny tany io rano io.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.
malagasy