Exodus 40:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hoentinao i Aharôna sy ny zanany lahy hankeo amin’ny fidirana amin’ny Tranolay fihaonana, ary hampandroinao amin’ny rano.
Malagasy Bible 1865
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ampanatony i Arona sy ireo zanany hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano.
malagasy
Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy.