Exodus 40:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany dia hatafinao an’i Aarôna ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hampiakanjoinao an’i Aharôna ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Arona ny fitafiana masina ary hosory sy hamasino izy mba hanao ny fanompoam-pisoronana ho Ahy.
malagasy
Ary ampiakanjoy an'i Arona ny fitafiana masina, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.