Exodus 40:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hosory izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba hanao fanompoam-pisoronana ho Ahy. Izany fanosorana azy ireo izany dia ho fisoronana maharitra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin’ny taranany mandimby azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»
Malagasy Bible 1865
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hosory izy ireo, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba hanao fanompoam-pisoronana ho Ahy. Izany fanosorana azy ireo izany dia ho fisoronana maharitra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
malagasy
Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin'ny taranany fara mandimby.