Exodus 40:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.
Malagasy Bible 1865
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ny vata, ary ny bao dia nataony teo amin’ny vata, ny rakotra fanaovam-panavotana indray dia napetrany teo ambonin’ny vata.
malagasy
Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin'ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin'ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin'ny fiara.