Exodus 40:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara ka ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely izy, sy nanantona ny lamba amin’ny vavahadin’ny kianja. Toy izany no nahavitan’i Môizy izany raharaha izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan’i Mosesy avokoa ny asa rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara ka ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra.
malagasy
Ary natsangany koa ny kianja manodidi­na ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vava­hady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra.