Exodus 40:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin’ny fonena-masina ny rahona.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niakatra niala tamin’ny tabernakely ny rahona dia niainga ho amin’izay lalana halehany ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary raha niakatra niala tamin'ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak'Isiraely tamin'ny nandehanany rehetra;