Exodus 40:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany.
malagasy
Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.