Exodus 40:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.
malagasy
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.