Exodus 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Avelao ny oloko handeha mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, lasa nankao amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety any an’efitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nankao amin’i Farao i Mosesy sy i Arona ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’Israely: Avelao ny oloko handeha mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-tany efitra.
malagasy
[Ny nihaonan'i Mosesy sy Arona tamin'i Farao, sy ny nampitomboan'i Farao, ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely] Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.