Exodus 5:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona: NY TOMPO anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’i Farao sy eo anatrehan’ny mpanompony izahay ka nasianareo sabatra eo an-tanany hamonoany anay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nilaza taminy hoe: «Aoka i Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin’i Faraôna sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tanany izy hamonoana anay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!
Malagasy Bible 1865
dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy i Arona: NY TOMPO anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan’i Farao sy eo anatrehan’ny mpanompony izahay ka nasianareo sabatra eo an-tanany hamonoany anay.
malagasy