Exodus 5:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy tamin’izay, ka nanao hoe: «Tompo ô! nahoana Ianao no dia nampidi-doza tamin’ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina tany amin’ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe –Tompo ô, nahoana no nampidi-doza an’ity vahoaka ity ianao? Ahoana àry no nanirahanao ahy atỳ?
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina ho any amin’NY TOMPO i Mosesy ka niteny hoe: TOMPO ô, nahoana no nahatonga loza tamin’ity firenena ity Ianao? Nahoana re no naniraka ahy Ianao?
malagasy
Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.