Exodus 5:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo no nihaona taminay. Koa trara antitra ianao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-tany efitra hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, fandrao hamely anay amin’ny areti-mandringana na amin’ny sabatra Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy roa lahy: «Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh, mba tsy hamely anay amin’ny pesta na amin’ny sabatra Izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharôna hoe: –Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin’ny areti-mifindra na amin’ny ady Izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo no nihaona taminay. Koa trara antitra ianao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-tany efitra hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray, fandrao hamely anay amin’ny areti-mandringana na amin’ny sabatra Izy.
malagasy