Exodus 6:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana ka lazao i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamela ny Zanak’Israely hiala amin’ny taniny izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana ianao miteny amin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mba handefasany ny zanak’i Israely ho any ivelan’ny taniny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita.
Malagasy Bible 1865
Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana ka lazao i Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamela ny Zanak’Israely hiala amin’ny taniny izy.
malagasy
Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.