Exodus 7:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mankanesa ao aminy ianao rahampitso maraina; indro, handeha ho any amoron-drano izy; mijanòna eo amoron’i Neily ianao mandra-piaviny; ary ny tehina, ilay niova ho menarana, dia hoentinao eny an-tananao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron’i Neily izy.
Malagasy Bible 1865
Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),