Exodus 7:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Izao no hahafantaranao fa Izaho no TOMPO: Indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily ka ho tonga ra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no lazain’i Iaveh: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Iaveh: hotapahiko amin’ity tehina an-tanako ity ny rano eo amin’ny ony, dia ho voaova ho ra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia lazain’ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin’ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin’ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon’i Neily, dia hiova ho ra.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Izao no hahafantaranao fa Izaho no TOMPO: Indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily ka ho tonga ra izany.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.