Exodus 7:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanafatra an’i Mosesy koa NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia eny ambonin’ny sampan-dranony, eny ambonin’ny lakandranony, eny ambonin’ny heniheniny ary eny ambonin’ny kamoriny rehetra, mba ho tonga ra ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fitoeran-drano hazo na amin’ny fitoeran-drano vato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanafatra an’i Mosesy koa NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Arona hoe: Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia eny ambonin’ny sampan-dranony, eny ambonin’ny lakandranony, eny ambonin’ny heniheniny ary eny ambonin’ny kamoriny rehetra, mba ho tonga ra ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fitoeran-drano hazo na amin’ny fitoeran-drano vato.
malagasy