Exodus 7:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’i Mosesy sy i Arona, araka izay nandidian’NY TOMPO, izany ka nanainga ny tehina izy dia nikapoka ny rano tao Neily teo imason’i Farao sy teo imason’ny mpanompony, ary tonga ra ny rano rehetra tao Neily
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izay nandidian’ny TOMPO azy; ary teo imason’ny Farao sy ny tandapany no nanaingan’i Aharôna ny tehiny ka nikapohany ny ranon’i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny ony.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’i Mosesy sy i Arona, araka izay nandidian’NY TOMPO, izany ka nanainga ny tehina izy dia nikapoka ny rano tao Neily teo imason’i Farao sy teo imason’ny mpanompony, ary tonga ra ny rano rehetra tao Neily
malagasy