Exodus 7:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy Bible 1865
koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka maty ny hazandrano izay tao amin’i Neily. Tonga maimbo i Neily ka tsy azon’ny Ejiptiana nosotroina ny rano avy ao. Ary ny ra dia nanerana ny tany Ejipta manontolo.
malagasy
koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.