Exodus 7:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa mba nanao toy izany tamin’ny sikidiny koa ny ombiasy tany Ejipta dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mba nanao toy izany tamin’ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan’i Mosesy sy i Aharôna, araka izay efa nambaran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa mba nanao toy izany tamin’ny sikidiny koa ny ombiasy tany Ejipta dia nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah.