Exodus 7:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fito andro no lasa taorianan’ny namelezan’NY TOMPO an’i Neily.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasa ny andro fito taorian’ny namelezan’i Iaveh ny ony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary fito andro izay no lasa taorian’ny namelezan’ny TOMPO ny ony Neily.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin'ny sahona; dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao. Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fito andro no lasa taorianan’ny namelezan’NY TOMPO an’i Neily.
malagasy
Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.