Exodus 7:26 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna, lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompo Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mankanesa any amin’ny Farao, ka lazao aminy hoe: «Asain’ny TOMPO alefanao ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
malagasy
[Faharoa: ny sahona] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.