Exodus 7:28 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho feno sahona i Neily, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambonin’ny farafaranao, any amin’ny tranon’ny mpanomponao, any amin’ny vahoakanao ary eny amin’ny fatanao sy eny amin’ny vilia fanaova-mofonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ho hipoka sahona ny ony, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambony farafaranao, ao an-tranon’ny mpanomponao, eny amin’ny vahoakanao, amin’ny lafaoronao, ary amin’ny fanditian-dafarinanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitombo ao amin’ny ony ny sahona, dia hiakatra ka hiditra ao an-dapanao sy ao an’efitrano fandrianao ary ao am-parafaranao aza, hiditra any an-tranon’ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary koa any amin’ny lafaoro sy ny fanaova-mofonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho feno sahona i Neily, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambonin’ny farafaranao, any amin’ny tranon’ny mpanomponao, any amin’ny vahoakanao ary eny amin’ny fatanao sy eny amin’ny vilia fanaova-mofonao.
malagasy
dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin'ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin'ny farafaranao sy any amin'ny tranon'ny mpanomponao sy amin'ny vahoakanao ary eny amin'ny fanendasa-mofonao sy eny amin'ny vilia fanaova-mofonao.Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran'ny sahona.