Exodus 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hihaino anareo i Farao ka hamely an’i Ejipta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ny Zanak’Israely oloko hiala amin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hihaino anareo i Farao ka hamely an’i Ejipta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ny Zanak’Israely oloko hiala amin’ny tany Ejipta.
malagasy
Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an'i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon'ny Zanak'Isiraely oloko hiala amin'ny tany Egypta.