Exodus 8:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona hoe: Atsory ny tehinao dia kapohy ny vovo-tany fa ho tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao an’i Aarôna hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran’ny tany Ejipta ireny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Asaovy ahinjitr’i Aharôna ny tehiny hikapohany ny vovo-tany dia ho tonga moka ao amin’ny tany Ejipta manontolo izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Lazao amin’i Arona hoe: Atsory ny tehinao dia kapohy ny vovo-tany fa ho tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo izany.
malagasy
[Fahatelo: ny moka] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.