Exodus 8:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia notanterahiny izany ka natsotran’i Arona ny tanany izay mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany; dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy, satria tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra manerana ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’izy ireo izany. Nahinjitr’i Aarôna ny tanany mbamin’ny tehiny, ka nokapohiny ny vovo-tany, dia mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka. Nanjary moka avokoa ny vovo-tany eran’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notanterahin’izy mirahalahy izany: nahinjitr’i Aharôna ny tanany ka nokapohiny tamin’ny tehiny ny vovo-tany; dia nisy moka nandrakotra ny olona sy ny biby fiompy. Ny vovo-tany rehetra dia tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia notanterahiny izany ka natsotran’i Arona ny tanany izay mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany; dia nisy moka teny amin’ny olona sy teny amin’ny biby fiompy, satria tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra manerana ny tany Ejipta manontolo.
malagasy