Exodus 8:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ka mijoroa eo anatrehan’i Farao fa indro, handeha ho any amoron-drano izy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha hanompo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko;
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ka mijoroa eo anatrehan’i Farao fa indro, handeha ho any amoron-drano izy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha hanompo Ahy.
malagasy
[Fahefatra: ny lalitra] Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.