Exodus 8:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy alefanao handeha ny vahoakako, indro Aho handefa lali-be hamely anao, hamely ny mpanomponao, hamely ny vahoakanao, ary hamely ny tranonao. Ho heraka lali-be ny tranon’ny Ejiptianina mbamin’ny tany onenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy mamela ny oloko handeha ianao, indro andefasako fihitra betsaka hamely anao, ny mpanomponao, ny vahoakanao ary ny tranonao, dia ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptiana sy ny tany izay itoerany koa.
malagasy