Exodus 8:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’NY TOMPO tokoa izany ka nisy fihitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Ejipta manontolo; koa simba ny tany noho ny fihitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Iaveh izany ka tongan’ny lali-be zavon-tany ny tranon’i Faraôna sy ny an’ny mpanompony, ary simban’ny lali-be daholo ny tany Ejipta manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan’ny Farao sy tao an-tranon’ireo tandapany ary manerana an’i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon’ny fihitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’NY TOMPO tokoa izany ka nisy fihitra be dia be tao amin’ny tranon’i Farao sy tao amin’ny tranon’ny mpanompony ary teny amin’ny tany Ejipta manontolo; koa simba ny tany noho ny fihitra.
malagasy
Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.