Exodus 8:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa niteny indray ny Farao hoe: –Eny àry, halefako handeha hanao sorona amin’ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Farao: Havelako handeha ihany ianareo mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo any an-tany efitra; kanefa izao: Aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mifonà ho ahy!
malagasy