Exodus 8:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nanatanteraka izany araka ny tenin’i Mosesy, dia nampiala ny fihitra rehetra tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary notanterahin’i Iaveh ny tenin’i Môizy ka dia niala tamin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lali-be ka tsy nisy tavela, na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nanatanteraka izany araka ny tenin’i Mosesy, dia nampiala ny fihitra rehetra tamin’i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza ireny.
malagasy
Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin'izany ka tsy nandefa ny olona.