Exodus 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mifonà ho ahy amin’NY TOMPO mba hampialany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako; fa havelako handeha ny olona mba hamonoany zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Faraôna nampaka an’i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mangataha amin’i Iaveh mba hanesorany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako, fa halefako mandeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona i Farao ka niteny hoe: Mifonà ho ahy amin’NY TOMPO mba hampialany ny sahona amiko sy amin’ny vahoakako; fa havelako handeha ny olona mba hamonoany zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO.
malagasy