Exodus 8:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Mosesy tamin’i Farao: Omena anao ny voninahitra hanendry izay fotoana hifonako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, koa dia ho ao Neily ihany sisa no hahitana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin’ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Mosesy tamin’i Farao: Omena anao ny voninahitra hanendry izay fotoana hifonako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, koa dia ho ao Neily ihany sisa no hahitana izany.
malagasy