Exodus 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ianao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso hanompo Ahy ny vahoakako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy. –Mankanesa any amin’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mankanesa ao amin’i Farao ianao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
malagasy
[Fahadimy: ny aretina tamin'ny biby] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.