Exodus 9:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nandraoka lavenona tao amin’ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan’i Faraôna, ary nataon’i Môizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin’ny olona sy ny biby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.
Malagasy Bible 1865
Dia naka lavenona tamin'ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan'i Farao; dia natopin'i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin'ny olona sy tamin'ny biby fiompy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka molaly avy tao amin’ny lafaoro lehibe tokoa izy roalahy ka nitsangana teo anatrehan’i Farao; dia nafafin’i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany ka tonga vay nipoipoitra tamin’ny olona sy tamin’ny biby fiompy.
malagasy