Exodus 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ianao ka tongava any amin’i Faraôna, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Alefaso handeha hanompo Ahy ny vahoakako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehàna miseho eo anatrehan’ny Farao ka lazao aminy hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ‹Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ianao dia mitsangàna eo anatrehan’i Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo: Avelao ny oloko handeha mba hanompo Ahy.
malagasy
[Fahafito: ny havandra] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan'i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy