Exodus 9:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny tenanao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa amin’izao Aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin’ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.