Exodus 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao dia asaovy hampidirina izay biby amam-panananao rehetra any an-tsaha; fa izay olona na biby rehetra tavela any an-tsaha fa tsy tafiditra tao an-trano dia hasian’ny havandra ka ho ringana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny àry, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.»
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan'ny havandra ka ho faty avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, maniraha olona mba hanangona haingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay tafajanona any an-tsaha tsy tafangona ao an-trano dia hilatsahan’ny havandra ka ho faty avokoa.
malagasy