Exodus 9:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tehiny ka nalefan’NY TOMPO ny kotrokorana sy havandra ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ny tany. Ary NY TOMPO dia nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan’i Iaveh ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin’ny tany ny afo. Ary i Iaveh nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natsangan’i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin’ny tany Ejipta ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nahinjitr'i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin'ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin'ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsotran’i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tehiny ka nalefan’NY TOMPO ny kotrokorana sy havandra ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ny tany. Ary NY TOMPO dia nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
malagasy