Exodus 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasian’ny havandra avokoa izay rehetra tany an-tsaha tamin’i Ejipta manontolo na olona na biby. Nasian’ny havandra avokoa ny ahitra rehetra tany an-tsaha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanerana an’i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran'ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian'ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny havandra dia namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, nanerana ny tany Ejipta manontolo; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha dia notapatapahiny.
malagasy