Exodus 9:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampiantso an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: «Nanota aho tamin’ity indray maka ity; i Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy Aharôna ny Farao ka nilaza taminy hoe: –Diso aho tamin’ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona indray i Farao ka niteny taminy hoe: Efa nanota aho tamin’izao indray mandeha izao, koa NY TOMPO no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
malagasy
Dia naniraka Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.