Exodus 9:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.
malagasy