Exodus 9:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia indro ny tanan’NY TOMPO ho amin’ny biby fiompinao izay any an-tsaha, dia amin’ny soavaly, amin’ny boriky, amin’ny rameva, amin’ny omby ary amin’ny ondry aman’osy ka hisy areti-mandringana faran’izay mafy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia indro ny tanan’i Iaveh hamely ny biby fiompinao izay any an-tsaha, na soavaly, na ampondra, na rameva, na omby aman’ondry, dia areti-mifindra mandripaka tokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny TOMPO: hisy areti-mandringana mahery vaika hamely ny soavaly sy ny boriky, ny rameva sy ny omby, ary ny ondry aman’osy.
Malagasy Bible 1865
dia, indro, ny tànan'i Jehovah ho amin'ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin'ny soavaly sy amin'ny boriky sy amin'ny rameva sy amin'ny omby ary amin'ny ondry aman'osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia indro ny tanan’NY TOMPO ho amin’ny biby fiompinao izay any an-tsaha, dia amin’ny soavaly, amin’ny boriky, amin’ny rameva, amin’ny omby ary amin’ny ondry aman’osy ka hisy areti-mandringana faran’izay mafy.
malagasy