Exodus 9:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy ka nankeo ivelan’ny tanàna dia namelatra ny tanany tamin’NY TOMPO izy ka nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ny tany intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala avy ao amin’i Faraôna ary nivoaka ny tanàna i Môizy, dia nanandratra ny tanany tany amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin’ny tany intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanàna. Nanandra-tanana tamin’ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy niala teo amin'i Farao ka nankeo ivelan'ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin'i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin'ny tany intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niala teo amin’i Farao i Mosesy ka nankeo ivelan’ny tanàna dia namelatra ny tanany tamin’NY TOMPO izy ka nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ny tany intsony.
malagasy