Exodus 9:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasian’i Iaveh fiavahana ny bibin’i Israely sy ny bibin’ny Ejiptianina: fa ny an’ny zanak’i Israely rehetra tsy hisy maty, na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy havahan’ny TOMPO ny biby fiompin’ny Israelita sy ny an’ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an’ny Israelita!»
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO hanavaka ny biby fiompin’ny Israelita amin’ny bibin’ny Ejiptiana ka tsy hisy maty na dia iray akory aza izay rehetra an’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.