Exodus 9:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’i Iaveh tokoa izany, nony ampitso; ka ny bibin’ny Ejiptianina maty avokoa; fa ny bibin’ny zanak’i Israely tsy nisy maty, na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitso dia nataon’NY TOMPO izany zavatra izany ka maty avokoa ny bibin’ny Ejiptiana rehetra; fa ny bibin’ny Zanak’Israely kosa dia tsy mba nisy nahafatesana na dia iray aza.
malagasy
Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.