Exodus 9:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampamototra i Faraôna ka tsy nisy maty tokoa ny bibin’ny zanak’i Israely, na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Faraôna ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin’ny biby fiompin’ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka hijery izany i Farao ka indro, tsy mba nisy nahafatesana ny bibin’ny Zanak’Israely na dia iray aza. Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny olona handeha izy.
malagasy
Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin'ny Zanak'Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.